1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin'ny anaranao aho, Andriamanitra , ary omeo rariny aho araka ny herinao.

2 Andriamanitra , henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin'ny vavako.

3 Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy.

4 Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.

5 Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.

6 Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah , fa tsara izy.

7 Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.
